-
Job 24
- 1 Nahoana no tsy misy fotoan’ andro voatendrin’ ny Tsitoha, ary nahoana no tsy hitan’ ny mahalala Azy izany androny Izany?
- 2 Misy mamindra fari-tany sy mangalatra omby aman’ ondry sady miandry azy.
- 3 Mandroaka ny borikin’ ny kamboty izy, ary maka ny ombin’ ny mpitondratena ho tsatòka.
- 4 Manosika ny mahantra hiala amin’ ny lalana izy, ka dia miery azy avokoa ny malahelo amin’ ny tany.
- 5 Indro, tahaka ny fivoaky ny boriki-dia any an-efitra no fivoak’ ireny ho amin’ ny asany hiremby; Ny tani-hay no ahazoany hanina ho an’ ny zanany.
- 6 Any an-tsaha izy maka vilona sy mitsimpontsimpona ny voaloboky ny ratsy fanahy.
- 7 Mandry mitanjaka amin’ ny alina izy, satria tsy manan-damba, ka dia tsy manana firakotra amin’ ny hatsiaka;
- 8 Kotsan’ ny ranonoram-baratra any an-tendrombohitra izy, ka mitampisaka amin’ ny vatolampy, fa tsy manam-pialofana.
- 9 Misarika ny kamboty eo am-pinonoana izy ary maka tsatòka amin’ ny ory.
- 10 Mandeha mitsaitsaika ireo, fa mitanjaka tsy manan-kitafy, ary noana eo am-pitondrana ny amboaram-bary.
- 11 Manao diloilo eo anatin’ ny tambohon’ ny mpampahory azy izy; Ary manosihosy ny famiazam-boaloboka izy, nefa mangetaheta ihany.
- 12 Mitrona ny lehilahy ao an-tanana, ary mitaraina ny fanahin’ ny voalefona; Nefa tsy ahoan’ Andriamanitra akory ny ratsy atao.
- 13 Ireny no mpikomy amin’ ny mazava; Tsy mba mihevitra ny lalany izy, na mitoetra eo amin’ ny alehany.
- 14 Raha vao mangiran-dratsy, dia mifoha ny mpamono olona; Mamono ny ory sy ny malahelo izy, ary nony alina, dia tahaka ny mpangalatra.
- 15 Ny mason’ ny mpijangajanga miandry ny maizimaizina, ka hoy izy: Tsy misy hahalala ahy ka dia manao very maso izy.
- 16 Misy manamy trano nony maizina; Nefa nony antoandro dia miery izy; Tsy mahalala ny mazava izy;
- 17 Fa ny aizim-pito no marainan’ ireo rehetra ireo; Satria efa mahazatra azy ny fampahatahoran’ ny aizim-pito izy.
- 18 Mitsinkafona paohin’ ny rano izy; Voaozona ny anjarany eo amin’ ny tany; Tsy mivily ho amin’ ny lalana mankeny amin’ ny tanim-boaloboka izy.
- 19 Toy ny andevonan’ ny maina sy ny mafana ny ranom-panala no andevonan’ ny fiainan-tsi-hita ny mpanota.
- 20 Manadino azy ny vohoka; manjary hanim-py ho an’ ny olitra izy ka tsy tsarovana intsony; Ary tapaka tahaka ny hazo ny ratsy fanahy,
- 21 Dia ilay nandroba ny momba izay tsy niteraka ary tsy nanisy soa ny mpitondratena.
- 22 Kanefa halavain’ Andriamanitra amin’ ny heriny ny andron’ ny olo-mahery; Mitsangana indray ireo, na dia tsy nanampo izay ho velona intsony aza.
- 23 Ataony mandry fahizay sy tsara tohana izy, sady tsinjoviny mandrakariva ny lalany.
- 24 Nasandratra izy, kanjo vetivety dia tsy ao intsony, dia mihalevona izy ka otazana tahaka ny olona rehetra, ary tangosana tahaka ny salohim-bary.
- 25 Raha tsy izany, dia aoka hisy hamaky lainga ahy ka hampiseho ny teniko ho tsinontsinona.
-
-
King James Version (kjv)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)
Basic Hash Usage Explained
At getBible, we've established a robust system to keep our API synchronized with the Crosswire project's modules. Let me explain how this integration works in simple terms.
We source our Bible text directly from the Crosswire modules. To monitor any updates, we generate "hash values" for each chapter, book, and translation. These hash values serve as unique identifiers that change only when the underlying content changes, thereby ensuring a tight integration between getBible and the Crosswire modules.
Every month, an automated process runs for approximately three hours. During this window, we fetch the latest Bible text from the Crosswire modules. Subsequently, we compare the new hash values and the text with the previous ones. Any detected changes trigger updates to both our official getBible hash repository and the Bible API for all affected translations. This system has been operating seamlessly for several years.
Once the updates are complete, any application utilizing our Bible API should monitor the hash values at the chapter, book, or translation level. Spotting a change in these values indicates that they should update their respective systems.
Hash values can change due to various reasons, including textual corrections like adding omitted verses, rectifying spelling errors, or addressing any discrepancies flagged by the publishers maintaining the modules at Crosswire.
The Crosswire initiative, also known as the SWORD Project, is the "source of truth" for getBible. Any modifications in the Crosswire modules get reflected in our API within days, ensuring our users access the most precise and current Bible text. We pledge to uphold this standard as long as getBible exists and our build scripts remain operational.
We're united in our mission to preserve the integrity and authenticity of the Bible text. If you have questions or require additional information, please use our support system. We're here to assist and will respond promptly.
Thank you for your understanding and for being an integral part of the getBible community.
Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.